Hankany amin'ny vontoatiny

Pl@ntNet

Avy amin'i Wikipedia
Image
Sary sy soratra famantarana ny Pl@ntNet

Ny Pl@ntNet dia tetikasa an-kajy mirindra hamantarana ny zavamaniry avy amin' ny sary amin' ny alalan' ny fianarana mandeha hoazin' ny milina. Sehatra siantifika iarahan' ny olona tsy an-kanavaka miasa izy io.

Nivoatra ilay tetikasa ka niafara amin' ny famoronana endrika an-tranonkala tamin' ny taona 2011 sy amin' ny endrika fampiharana am-pinday tamin' ny taona 2013 (natokana ho an' ny bôtanista), izay ahafahan' ny mpampiasa azy io mamantatra karazana zavamaniry an' arivony avy amin' ny saripika nalain' ny mpampiasa. Ny famantarana dia mandeha hoazy amin' ny fampiasana fitaovana infôrmatika — ao anatin' izany ny faharanitan-tsaina voatr' olombelona sy ny fianarana lalina ataon' ny milina (ity farany ity dia nanomboka tamin' ny taona 2015) — ary voarakitra an-tsoratra ny karazana voamarina rehetra. Izany fampiharana am-pinday izany dia misy amin' ny fiteny 27 tamin' ny volana Febroary 2021 (ao anatin' izany ny fiteny arabo, sinoa, tseky, neerlandey, anglisy, finoà, frantsay, alemana, grika, hebreo, indôneziana, italiana, pôlôney, pôrtogey, rosiana, slôvaka, espaniôla, tiorka, ary okrainiana).

Tamin' ny taona 2019 dia nahatratra 10 tapitrisa mahery tany amin' ny firenena 180 mahery ny fisintonan-davitra ilay fampiharana am-pinday. Teo anelanelan' ny taona 2013 sy 2020 dia nahatratra 20 tapitrisa ny fisinton-davitra an' ilay fampiharana. Tamin' ny lohataona 2020 dia manodidina ny 500 000 ny isan' ny mpampiasa an' ilay fampiharana isan' andro, raha 27 909 kosa ny karazan-javamaniry misy angon-drakitra ao amin' io fampiharana io. Ampiasain' ny manam-pahaizana momba ny fitantanana sy fikajiana ny zavamaniry, ary koa ampiasain' ny ny vahoaka betsaka ity fitaovana ity izay ahafahan' ny mpampiasa azy io mandray anjara mavitrika amin' ny siansa andraisan' ny daholobe anjara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]