Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 102 366 amin’ny teny malagasy

Image Lahatsoratra notsongaina ho an’ity volana ity

Ny Mouvement démocratique de la rénovation malgache, izay afohezina hoe MDRM, no antoko pôlitika malagasy voalohany izay niforona tao Paris tamin' ny 22 Febroary 1946 ary nofoanana tamin' ny 10 Mey 1947. Tanjon'ny antoko ao anatin'ny fotoana fohy ny fizakan-tenan' i Madagasikara ao anatin' ny Union française ary aty aoriana, ny fahaleovantenan' i Madagasikara madio mangarangarana, ary atao amin'ny alalan'ny fametrahana lalàna izany fa tsy amin' ny alalan' ny fitaovam-piadiana na ny herisetra. Antoko pôlitika malagasy voalohany niforona teto Madagasikara, taorian' ny nanambaràn' ny jeneraly Charles de Gaulle nandritra ny Fihaonambe tany Brazzaville (taona 1944) fa ny zanatany rehetra dia tokony ho lasa tany frantsay ampitan-dranomasina (frantsay: territoires d'outre-mer) izay manan-jo hanana solontena ao amin' ny Antenimierampirenena frantsay[1].

Nahazo olona maro dia maro ny antoko tany am-piandohana satria be ireo nangetaheta fanafahana sy fahafahana, mipaka amin'ny sokajin'olona rehetra izany sy tamin'ny foko maro manerana an'i Madagasikara ihany koa. Vao niorina ara-dalàna koa ny Antoko dia niròna nankao avokoa ny avy amin'ny fikambanana miafina toa ny JINY sy ny PANAMA ary nandrisika ny hafa ihany koa hiditra ao. Tsikaritry ny mpanjanatany anefa fa Merina avy ao afovoan-tany ny ankamaroan' ny mpitarika misongandina ao aminy (Joseph Raseta na Joseph Ravoahangy) na dia misy aza ireo mpitarika avy amin'ny foko hafa toa an'i Tata Max, Alexis Bezaka, Zaranaina, Printsy Justin Bezara, Jaonastina Ratovonary, Kana, Monja Jaona...[2], sady manana ila Betsimisaraka rahateo koa i Jacques Rabemananjara, izay depiote fahatelo nanampy ireo roa voatonona etsy ambony. Nampiasa ny teti-panoron'i Gallieni amin'ny "zarazarao hanjakana" indray ny mpanjanatany manoloana ny fitakiana pôlitika mahery vaika tsy azo sakanana ka nataony izay hanamorana ny fiforonan' ny Parti des déshérités de Madagascar (PA.DES.M.), izay nahitana indrindra ny vahoaka amorontsiraka. Filoha Mpanorina ity fikambanan'ny "Firaisan' ny Tanindrana sy ny Mainti-enindreny ary ny Karazany rehetra eto Madagasikara" ity Atoa Norbert Zafimahova[2] fa anisan'ny mpikambana mpanorina mafana fo kosa Atoa Philibert Tsiranana. Nankasitraka ny fizorana tsikelikely amin' ny fizakan-tena ny antoko PADESM ary mandrara tanteraka ao aminy ny fidiran'ny Merina mazava hoditra, araka ny sata misoratra mazava, raha tsy efa nahazo fankatoavana amin'ny maro an'isa amin'ny mpitarika.

Nisy fiantraikany tamin' ny MDRM ny fikomiana niteraka ra mandriaka tamin' ny 29 Marsa 1947, izay nahafatesana Frantsay miisa 150 sy Malagasy an' aliny maro, sy ny famoretana feno habibiana naterak' izany. Voarohirohy tamin' izany fitroarana izany ny sasany tao amin' ireo fikambanana miafina toy ny Parti national malgache (PANAMA) fa nahasahy niteny ny andraikitra tamin'io raharaha io kosa ny tao amin'ny JINY notarihin'i Monja Jaona na dia tany am-pigadrana aza izy raha nipoaka ny raharaha. Nanapa-kevitra ny handrava ny antoko MDRM sy hisambotra ny mpitarika azy ny manam-pahefana mpanjanaka, anisan' ny voasambotra ny olom-boafidy roa ao amin' ny Conseil de la République ("Filankevitry ny Repoblika") sy ny roa tao amin' ny Antenimierampirenena frantsay. Voaheloka higadra amin' ny sazy mavesatra izy ireo ary natao sesitany hiala avy eto amin' ny Nosy. Maro ny mpikatroka nosamborina sy nampijaliana[3].

Noho ny fandravana ny Antoko MDRM dia nanjaka tokana ny PADESM tamin'ny fifidianana rehetra izay natao mandra-pahazoana ny fahaleovantenan' i Madagasikara. Raha vao nambara ny fahaleovantenan' i Madagasikara tamin' ny 26 Jona 1960 dia neken' ny Frantsay ny fangatahan' ny filoha Tsiranana momba ny famotsoran-keloka ho an' ny mpitarika telo lehibe ao amin' ny MDRM sy ny fahafahan' izy ireo mody an-tanindrazana.


([tohiny])


Image Lahatsoratra tsara vakiana

Image
Sary famantarana ny antoko PADESM

Ny Parti des déshérités de Madagascar (na PADESM), izay nantsoina amin' ny teny malagasy hoe "Firaisan' ny Tanindrana sy ny Mainti-enindreny ary ny Karazany rehetra eto Madagasikara", dia antoko pôlitika navitrika teto Madagasikara nanomboka tamin' ny volana Jona 1946 ka hatramin' ny Repoblika Voalohany (1960–1972). Natsangana io antoko io ho setrin' ny fananganana sy ny fahombiazana ara-pôlitika haingana azon' ny antoko pôlitika Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache (MDRM) izay natsangan' ireo sangany sy avara-pianarana merina mba hitakiana ny fahaleovantena amin' i Frantsa. Na dia nahazo fanohanana betsaka avy amin' ny foko rehetra ny nasiônalisma sy ny MDRM, ny PADESM dia nanohana ny fanomezan-danja sy ny fampitoviana ara-pitondrana ho an' ny mponina amorontsiraka (na Tanindrana), izay efa nofehezin' ny Merina teo amin' ny tantara, sady natahorana ny MDRM tsy hamerina ny fanjakazakan' ny Merina amin' ny fitondrana ara-pôlitika amin' ny fotoana hahazoana ny fahaleovan-tena.

Navitrika ny mpikambana tao amin' ny PADESM tamin' ny fanangonana sy fanaovana fampielezan-kevitra tany amin' ny faritra rehetra, tamin' ny voalohany dia ny mponina amorontsiraka sy ny taranaky ny andevo merina (Mainty enin-dreny), saingy tamin' ny farany dia voailika ireto farany.

Ny fananganana sy ny fahombiazana ara-pôlitikan' ny PADESM dia nampirisihin' ny fitondrana mpanjanaka frantsay, izay noheverin' ny tao amin' ny MDRM fa nanodinkodina ny voka-pifidianana ho an' ny antokon' ny Tanindrana.

Ny tolom-bahoaka tamin' ny taona 1947 no nitarika ny fitondrana mpanjanaka frantsay handrava ny MDRM ary nampiato vonjimaika ny antoko pôlitika hafa rehetra, anisan' izany ny PADESM. Nitrangana ny disadisa teo amin' ny andaniny sy ny ankilany nandritra ny fikomiana tamin' ny alalan' ny herisetra teo amin' ny mpanohana ny vondrona mpifanandrina. Tombanana ho 1 900 hatramin' ny 5 000 ny mpanohana ny PADESM namoy ny ainy nandritra ny fikomiana nataon' ny mpiady nifandray tamin' ny MDRM.

Taorian' ny fahapotehan' ilay hetsika tamin' ny Desambra 1948, dia nitombo ny lazan' ny PADESM, nampian' ny fitohizan' ny fanohanana frantsay. Nandresy tamin' ny fifidianana maro ilay antoko tamin' ny taompolo 1950. Na izany aza, rehefa nanomboka ny dingana hirosoana mankany amin' ny fahaleovantena, dia nanjary nizarazara ho ankolafy mpitahiry ny mahazatra sy ankolafy mpandala fandrosoana ity antoko ity, ka nisaraka tamin' ny Desambra 1956 ity farany ary nanangana ny Parti Sociale Démocrate (PSD). Noho izany fisarahana izany sy noho ny fahaleovantena tamin' ny taona 1960, dia maty tanteraka ny PADESM.

Nisy akony naharitra teo amin' ny fiainana ara-pôlitika teto Madagasikara ny PADESM. I Philibert Tsiranana, mpitarika ny Parti Social Démocrate (PSD), no lasa filoha voalohany teto Madagasikara tamin' ny nahazoana ny fahaleovantena tamin' ny taona 1960. Maro ny olo-malaza ara-pôlitika lehibe eto Madagasikara no manam-pifandraisana amin' ny PADESM sy ny PSD, anisan' izany ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy ny praiminisitra teo aloha Jacques Sylla.

Amin' ny ankapobeny, ny fananganana ny PADESM dia nanamafy ny fifandrafiana ara-poko (Merina sy Tanindrana) teo amin' ny pôlitika malagasy, mampifandray ny tombontsoan' ny foko manokana amin' ny antoko pôlitika manokana.

([tohiny])

Image Sarin’ny anio

Image


Image Ny vaovao


Football: Madagasikara 5-2 Kirghistan

Araka ny fanambaràna navoakan'ny Federasiona Malagasy ny Football tao amin'ny pejy Facebook dia nomontsanin'ny Ekipam-pirenena malagasy (Barea) 05 - 02 ny ekipam-pirenen'i Kirghistan nandritra ny lalao ara-pirahalahiana notontosaina tany Torkia. Notantarain'i Merveille Welo tao amin'ny Africa Top Sports[4] nivoaka tamin'ny 28 marsa 2026 tamin'ny 15:57 aza fa efa nitarika ny Barea tamin'ny isa 04 -01 tamin'ny fidirana voalohany ka tsy maintsy mitady izay fomba tsy haha-afa-baraka azy ny mpifanandrina mandritra ny tapa-potoana faharoa.

Fiaraha-miasa Fanjakana Mitambatra (UK) - Madagasikara

Image

Namoaka filazana tao amin'ny tranonkalany[5] ofisialy ny Fanjakana Britanika tamin'ny 26 marsa 2026 lasa teo fa manomboka izao ny teratany malagasy mangataka Visa ho any amin'io Firenena Mitambatra io dia amin'ny alalan'ny eVisa ihany no hanaovana izany fa tsy amin'ny fomba hafa mba hahamora sy mahomby kokoa ny dia. Vaovao mahafinaritra ho antsika avy aty Madagasikara izany.

Governemanta Rajaonarison

Efa misy ny takelaka manokana Governemanta Rajaonarison raha mitady izany ianao. Tsindrio io sora-matevina io.


Image Efemerida

Androany 28 marsa:

Image
ora iray

Lohahevitra anio: "Manomeza ora iray ho an'ny Tany".

Image
Didier Ratsiraka
  • 193 - Novonoin'ireo mpiambina Praetoriana Romana mpikomy ny Emperora Pertinax ary namidin-dry zalahy ho an'i Didierus Julianus ny fahefana maha-amperora.
  • 1750 — nahaterahan'i Francisco de Miranda, Venezoelana sady mpanoratra no mpitarika miaramila, "mpialoha lalana amin'ny fanafahana an'i Amerika-Latina (hispanika)", niady tamin'ny Revolisiona Frantsay sy ny Ady ho amin'ny Fahaleovantenan'i Etazonia.
  • 1882 - Sady lasa laîka ny fampianarana no tsy maintsy diavina ny sekoly fanabeazana fototra, izay efa maimaim-poana araka ny lalànan'i Jules Ferry.
  • 1996 - Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny Taipei Metro Muzha Line ka lasa lalamby metro voalohany tao Taiwan.

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Image 

Image 

Image 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 


  1. Masson, Antoine; O'Connor, Kevin (2007). Representations of Justice. Brussels: Peter Lang, p.64
  2. 1 2 in. Seta Ralijaona: "Tahiry Volamena" mitantara an'i Dr Joseph Delphin Raseta, Tia Tanindrazana (1886-1979) Pejy 70
  3. Ariane Bonzon, "À Madagascar aussi la France coloniale a sévi, mais qui s'en souvient?" (arsiva), Slate.fr, 30 mars 2022
  4. https://www.africatopsports.com/2026/03/28/amical-madagascar-humilie-le-kirghizistan-en-une-mi-temps/
  5. https://www.gov.uk/world/madagascar/news