Hankany amin'ny vontoatiny

Fito

Avy amin'i Wikipedia

Ny fito dia isa nanahary manaraka ny enina sy mialoha ny valo. Io no isa tsy azo tsinjaraina alohan' ny isa toratelo. Aseo amin' ny alalan' ny tarehimarika 7 izy io.

Amin' ny maha isa tsy azo tsinjaraina azy ao amin' ny isa tsimivaky miabo, ny isa fito dia manana hevitra an' ohatra ao amin' ny fivavahana, ny fedrà, ny finoanoam-poana ary ny filôzôfia. Ny "planeta klasika" fito (Masoandro, Volana, Venosy, Jopitera, Merkiora, Marsa ary Satiorna) dia niteraka ny anaran' ny andro fiton' ny herinandro ao amin' ny fiteny maro. Ny tarehimarika 7 dia matetika heverina ho tsara vintana amin' ny kolontsaina tandrefana ary matetika heverina ho manana lanja an' ohatra lehibe.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao Vazaha fito an-trano.
  • Aza mitabataba tonga rafozana: akoho iray no vonoina, ka fito lahy no mitsangana.
  • Basi-na ariary fito: tsy takatry ny ory, tsy tian' ny mpanana.
  • Firain' ny vava fito saha, firain' ny harem-boatondro, ny ataon' ny vava tsy araka ny aina.
  • Ny zaza fito tsy mahafehy trano: fa ny fanahy fito no mahafehy trano.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]