Hankany amin'ny vontoatiny

India

Avy amin'i Wikipedia
भारत गणराज्य ((hi))
Bhārat Ganarājya hi
Republic of India en
Repoblikan' India ((mg))
Sainan' India Fanevan' India
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : सत्यमेव जयते (Satyamēva Jayatē)
(avy amin'ny Sanskrity : Ny Marina ihany no izy)
Image
Teny ofisialy fiteny hindi, fiteny anglisy, ary
fiteny hafa miisa 21 1
Renivohitra New Delhi
28° 34' N, 77° 07' E
Tanàna ngeza indrindra Mombay
Fitondrana sy governemanta
 - Filoham-pirenena
 - Praiminisitra
Repoblika federaly
Droupadi Murmu
Narendra Modi
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 7
3 287 590 km²
9,5 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 2
1 147 995 898 mpo.
349 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Indianina
IDH (2006) Mihakatra 0,611 (anelanelany) faha 126
Sandam-bola Ropia (INR)
Faritr'ora UTC + 5,30
Hiram-pirenena Jana-Gana-Mana
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+91

I India dia firenena ao Azia Atsimo, i New Delhi no renivohiny ary i Bombay no tanàn-dehibe be mponina indrindra ao. Mirefy 3 287 263 km2 ny velarany ary miisa 1 429 tapitrisa ny mponina tao aminy tamin'ny taona 2023.

Avy amin' ny teny persana hoe Sindhu, izay anarana persanan' ny renirano Indosy amin' ny fiteny sanskrity, ny hoe India. Mampiasa ny teny hoe Bharat (mpanjaka hindoa niaina tamin' ny Andro Taloha) ny anarana ôfisialy. Nampiasaina tamin' ny vanim-potoan' ny Empira Môgôly ny anarany fahatelo hoe Hindustan ("tanin' ny Hindoa" amin' ny fiteny persana), tsy ôfisialy intsony ankehitriny io teny hoe Hindustan io nefa ampiasaina matetika rehefa miresaka an' i India[1].

Image
Sarin-tanin' i India

Mivelatra amin' ny halavana 7 000 km i India[2]. Mizara sisintany amin' i Pakistàna izy any andrefana, sy amin' i Sina, amin' i Nepaly, amin' i Botàna any avaratra. I Bangladesa sy i Mianmara no any atsinanana. Eo amin' ny Ranomasimbe Indianina dia tsy lavitra azy ny Repoblikan' i Maldiva (any atsimo-andrefana) sy i Srilanka (any atsimo-atsinanana). Mizara sisin-tany amin' i Afganistàna koa i India any avaratra-atsinanana. Miavaka noho ny fisian' ny ampahany amin' i Himalaya (tandavan-tendrombohitra avo indrindra eran-tany) sy ny ony lehibe telo ny vohon-tanin' i India. Ireto ireo ony ireo: i Indosy sy i Ganges (renirano manan-kasina ho an' ny fivavahana hindoa) ary i Brahmaputra. Miavaka ny toetany noho ny fisian' ny rivotra mosôna (misy orana mahery amin' ny fahavaratra).

I India no firenena faharoa be mponina indrindra eran-tany (aorian' i Sina): ny mponina ao aminy dia 17 % amin' ny mponina eran-tany. Vondrom-poko 1 600 mahery no miara-monina ao India. Miavaka ny fiarahamonina indiana noho ny fisian' ny sarangam-poko (kasta), izany hoe fandaminana ara-piarahamonina ahitana ambaratonga miankina indrindra amin' ny fandovana sy ny fivavahana.

Misy fiteny sy fitenim-paritra maherin' ny 3 000 ny ao India ka fiteny ôfisialy roapolo mahery no eken' ny lalàmpanorenana. Ny fiteny hindy no fitenim-pirenena. Maro ny fivavahana teraka tao amin' io zana-kôntinenta io, ka anisan' izany ny bodisma, ny jainisma, ny hindoisma ary ny sikisma.

Ny fambolena no sehatra lehibe amin' ny asa ara-toekarena ao India, izay faharoa amin' ny famokarana vary eran-tany. Nihanivoatra be i India tamin' ny dimy ambin' ny folo taona farany teo, indrindra tamin' ny fanombohana ny fiovana demôgrafika nisy hatry ny taona 1991.

Tamin' ny 22 Janoary 2007 dia niverina avy tany amin' ny habakabaka ny kapsily indiana tsy misy olona afaka 12 andro, izany nametraka marika siantifika sy teknika lehibe ho an' i India. Hatry ny taona 2008 dia anisan' ny firenena matanjaka ara-toekarena lehibe eto an-tany i India, izay nanakaiky an' i Sina sy i Rosia ary i Brezily; i India koa no hery ara-toekarena fahavalo eto an-tany.

Teo amin' ny tanin' i India no nisy ny sivilizasiôna tranainy indrindra eto an-tany: ny sivilizasiônan' i Indosy, iray amin' ny voalohany fantatra tao amin' ny Saikinosy Indiana, nanomboka tamin' ny taona 2500 ka hatramin' ny 1800 tal JK. any ho any. Ny tantaran' i India dia voamariky ny fananiham-bohitra nataon' ny Ariana: olona avy any Azia Afovoany niandohan' ny rafitra misy sarangam-poko. Nivoatra tsikelikely ny fandaminana ara-pôlitika, ka nipoitra ny repoblika sy ny fanjakà-mpanjaka isan-karazany. Taorian' ny Fanjakan' i Magadha, izay niandohan' ny fampiraisana an' i India, dia maro ny tarana-mpanjaka nifandimby, indrindra fa ny Maurya sy ny Gupta (izay heverina ho andro volamenan' ny kolontsaina klasika tany India). Nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 ka hatramin' ny taonjato faha-17 ilay firenena no niharan' ny fananiham-bohitra nataon' ny Mozilmana sy ny Môgôly. Ny fanjanahantany eorôpeana (nataon' ny Pôrtogey, ny Hôlandey, ny Frantsay ary ny Britanika) dia nanomboka tamin' ny taonjato faha-16. Tamin' ny farany dia ny Empira Britanika no nahavita nifehy tanteraka ilay firenena. Mandritra ny taonjato roa i India dia zanatany anglisy; izy no zanatany britanika ngeza indrindra. Nitranga tamin' ny taona 1849 ny andiana fikomiana voalohany nanohitra io fahefana io. Notohizan' i Mohandas Gandhi izany tamin' ny taompolo 1920 sy 1930. Nahazo ny fahaleovan-tenany i India tamin' ny taona 1947. Tamin' io fotoana io dia naverina ho an' i India taorian' ny fahazoany ny fahaleovan-tena ny tobim-barotra (kôntoara) frantsay sy pôrtogey tao India. Na izany aza dia nisy ady ara-pivavahana sy ara-pizaràn-tany maro tao amin' ilay firenena.

Nipoitra tao India ny fiteny klasika roa (fiteny sanskrity sy fiteny tamily) misy eto amin' izao tontolo izao. Efa nampiasaina mandritry ny telo arivo taona ireo fiteny roa ireo. Namorona finoana antsoina hoe hindoisma ilay firenena, finoana izay mbola arahin' ny maro amin'ny Indiana amin' izao fotoana izao. Tamin' ny taona 300 tal. J.K., dia namorona ny empira sy ny Fiankohonana Maurya i Ashoka, izay nahavory ny ankamaroan' ny tanin' i Azia Atsimo ho anaty firenena iray. Tamin' ny taona 180 tal. J.K. dia voatafiky ny firenena maro samihafa i India na dia taty aoriana aza (100 – 1100), dia nipoitra ireo fiankohonana indianina hafa: izay ahitana ny Chalukya, ny Chola, ny Pallava ary ny Pandya.[3] Tamin' izany fotoana izany dia nalaza tamin' ny siansa sy ny zavakanto ary ny asa soratra ny faritra atsimo ao India.

Maro ny fiankohonana nanjaka tao India nandritry ny taona arivo. Anisan' ireo ny Empira Môgaly, ny Empira Vijayanagara ary ny Empira Maratha. Tamin' ny taona 1600 dia notafihan' ny firenena eorôpeana i India, ary voazanaky ny Britanika tanteraka izy io nanomboka tamin' ny taona 1856 hatramin' ny taona 1947.

Taorian' ny taona 1947, i India dia nanana toekarena sôsialista voalahatra. Anisan' ny firenena mpikambana nanorina ny hetsiky ny firenena tsy momba ny atsy na ny aroa ary ny Firenena Mikambana i India. Niatrika ady maro izy io taorian' ny fahaleovan-tenany tamin' ny Fanjakana Mikambana, anisan' izany ny ady tamin' ny taona 1957-58, 1965, 1971 ary 1999 tamin' i Pakistàna ary ny adin' ny 1962 tamin' i Sina. Niady ihany koa izy io mba haka an' i Goa, izay seranana natsangan' ny Pôrtogey, ary tsy azon' i India raha tsy tamin' ny taona 1961. Nandà ny Pôrtogey ka voatery naka azy an-keriny ny Indiana. Nanao fanandramana nokleary ihany koa i India tamin' ny taona 1974 sy 1998, ary anisan' ny firenena vitsy manana fitaovam-piadiana nokleary. Anisan' ireo toekarena mitombo haingana indrindra eto an-tany ny toekaren' i India nanomboka tamin' ny taona 1991.

Taona taloha

[hanova | hanova ny fango]

Andron' ny reforma

[hanova | hanova ny fango]

India islamo

[hanova | hanova ny fango]

India Eoropeana

[hanova | hanova ny fango]

Lalan'ny fahaleovantena

[hanova | hanova ny fango]

Fizarana manaintaina

[hanova | hanova ny fango]

Pôlitika

[hanova | hanova ny fango]
National symbols of the Republic of India (Official)
National animal Image
National bird Image
National tree Image
National flower Image
National heritage animal Image
National aquatic marine mammal Image
National reptile Image
National heritage mammal Image
National fruit Image
National temple Image
National river Image
National mountain Image

Jeôgrafia

[hanova | hanova ny fango]

Mivelatra amin' ny halavana 7 000 km i India. Mirefy 3 287 263 km2 ny velarany. Mizara sisintany amin' i Pakistàna izy any andrefana, sy i Sina, i Nepaly, i Botàna izy any avaratra. I Bangladesa sy i Mianmara any atsinanana. Eo amin' ny Ranomasimbe Indianina, tsy lavitry ny Repoblikan' i Maldiva (any atsimo-andrefana), i Seilàna (any atsimo-atsinanana). Mizara sisintany amin' i Afganistàna koa i India any avaratra-atsinanany. Ny vohontanin' i India dia miavaka noho ny fisian' ny ampahany amin' i Himalaya (tandavan-tendrombohitra avo indrindra eran-tany) sy ny ony lehibe telo: i Indosy sy i Ganges (renirano manan-kasina ho an' ny Hindoa) ary i Brahmaputra. Miavaka ny toetany noho ny fisian' ny rivotra mosôna (misy orana mahery amin' ny fahavaratra).

An' i India ny ampahany be amin' ny Zana-Kôntinenta Indianina. Miraikitra amin' i Aostralia ilay zana-kôntintenta amin' ny resaka plaky: ny plaky Indô-Aostralianina. Mikasika kely ny tendrombohitra Himalaya ny avaratr' i India. Eo antsimon' i Himalaya dia misy saha tena mahavokatra indrindra any India: ny tany Indô-Ganjetìka no anaran' izy io. Any andrefana, misy ny tanimatin' i Thar. Any antsimo, dia misy lembalemba voafaritra any avarany amin' ny Gaty Andrefana sy any antsinanany amin' ny Gaty Antsinanana.

Fizaràn' ny faritany

[hanova | hanova ny fango]
AnaranaRenivohitraTeny ofisialyVelarantany (km²)Isam-ponina (2001)Natsangana tamin'ny
Andhra PradeshHyderabadTelogo276 75476 210 0071956
Arunachal PradeshItanagarHindy83 5781 097 9681987
AssamDispurAsamey78 43826 655 5281947
Bengala AndrefanaKolkataBengaly88 75280 176 1971960
BiharPatnaHindy94 16382 998 5091947
ChhattisgarhRaipurHindy135 13320 833 8032000
GoaPanajiKônkany3 7021 347 6681987
GujaratGandhinagarGujarati196 02450 671 0171960
HaryanaChandigarhHindy44 21221 144 5641966
Himachal PradeshShimlaHindy55 6736 077 9001971
Jammu-sy-KasimiraSrinagarKasmiry, ordo222 23610 143 7001947
JharkhandRanchiHindy79 71426 945 8292000
KarnatakaBangaloreKanada191 79152 850 5621956
KeralaTrivandrumMalaialama38 86331 841 3741956
Madhya PradeshBhopalHindy308 00060 348 0231956
MaharashtraMumbaiMaraty308 00096 878 6271960
ManipurImphalmanipory22 3562 166 7881972
MeghalayaShillongGarô, kasy, anglisy22 4892 318 8221972
MizoramAizawlMizo, anglisy21 087888 5731987
NagalandKohimaAnglisy16 5271 990 0361963
OrissaBhubaneswarÔria155 84236 804 6601949
PenjabChandigarhPenjaby50 36224 358 9991956
RajasthanJaipurHindy342 23956 507 1881956
SikkimGangtokNepaley7 107540 8511975
Tamil NaduChennaiTamily130 05862 405 6791956
TripuraAgartalaBengaly10 4773 199 2031972
UttarakhandDehradunHindy53 4838 489 3492000
Uttar PradeshLucknowHindy236 286166 197 9211950

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Maro dia maro ny fiteny any India izay ao amin' ny fianakaviam-piteny maro samihafa. Ny fanisana natao tamin' ny taona 2011 dia nahitana fiteny miisa 270, ka ny 122 dia fiteny lehibe (be mpampiasa). Manao ny 22 amin' ireo fiteny ireo ho fiteny ôfisialy ny lalàm-panorenana indiana. Miteny fiteny indô-ariana ny 77 %n' ny vahoaka indiana (ka ny be mpiteny indrindra dia ny fiteny hindy izay fiteny nibeazan' ny olona miisa 422 tapitrisa, izany hoe 41 %n' ny mponina, sady fiteny ôfisialin' ny governemanta foibe), ny 20 %n' ny mponina no miteny amin' ireo fiteny dravidiana. Ny fianakaviam-piteny hafa hita ao India dia ny aostrôaziatika, ny sinô-tibetana ary ny tai-kaday. Ny fiteny anglisy dia fiteny voalohany na faharoa safidîn' ny 12 %n' ny mponina.

Ny fiteny indô-ariana

[hanova | hanova ny fango]

Sampana ao amin' ny fiteny indô-iraniana, izay ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana, ny fiteny indô-ariana. Ao Azia Atsimo no tena ahitana olona maro miteny azy ireo, isan' izany ny ao India.

Fitenim-pirenen' i India ny fiteny hindỳ. Misy 480 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona mampiasa azy, 360 tapitrisa amin' ireo no manao ny fiteny hindỳ ho fitenin-dreny. Amin' ny tapany avaratra amin' i India no misy ny ankabeazan' ny mpiteny hindỳ. Mitovitovy amin' ny fiteny hindy ihany ny fiteny ordò.

Fiteny ampiasaina indrindra any India atsinanana ny fiteny bengaly, nefa tenenina koa any Bangladesy, anisan' ny fiteny ôfisialin' i India, indrindra any amin' ny faritan' i Bengal Andrefana sy any Tripura.

Fitenin' ny olona miisa 75 tapitrisa any ho any India ny fiteny maraty, indrindra ao amin' ny Fanjakan' i Maharashtra sy ao Goa. Iray amin' ny fiteny ôfisialy any India ny fiteny maraty.

Anisan' ny fiteny indô-ariana be mpapiasa ao India koa ny fiteny gojaraty sy ny fiteny ôdià (na ôrià) ary ny fiteny penjaby. Fitenin' ny tompontanin' i Gujarat, izay ampiasain' ny olona miisa 46 tapitrisa any India sy maneran-tany, ny fiteny gojaraty.

Ny fiteny dravidiana

[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa 30 any ho any izay samy avy ao India avokoa ny fiteny dravidiana, izay ampiasaina indrindra ao amin' ny tapany atsimon' i India. Ny fiteny telogo, ny fiteny tamily, ny fiteny malaialama ary ny fiteny kanada no tena be mpampiasa.

Fitenin' ny olona miisa 70 tapitrisa any ho any ny fiteny telogo, ampiasaina indrindra any amin' ny faritra Andhra Pradesh, izay manao azy ho fiteny ôfisialy. Fiteny ôfisialy ihany koa izy any amin' ny faritra Karnataka sy Maharashtra ary any Orissa. Fiteny ôfisialin' i Tamil Nadu sy ny tananan' i Pondichery ary Karîkâl ny fiteny tamily.

Anisan' ny fiteny dravidiana be mpiteny koa ny fiteny kanada sy ny fiteny malaialama. Fiteny any amin' ny tapany atsimon' i India, fiteny ôfisialin' i Karnataka, ampiasain' ny olona miisa 45 tapitrisa any ho any, ny fiteny kanada. Anisan' ny fiteny ampiasaina any amin' ny tapany atsimon' i India koa ny fiteny malaialama, izay fiteny ôfisialin' ny faritany mizakatenan' i Kerala, fiteny ôfisialy ao amin' ny faritanin' i Lakshadweep sy any Pondicherry, fiteny ôfisialin' i India ihany koa, izay misy mpiteny miisa 35,9 tapitrisa any ho any.

Fiteny aostrôaziatika

[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao amin' ny faritra atsinanana any India ny fiteny aostrôaziatika. Miisa 10 tapitrisa ny mpiteny aostrôaziatika any India, 6 tapitrisa ny mpiteny sinô-tibetàna, izany hoe 3 %n' ny mponina. Anisan' ny fiteny aostrôneziatika ny fiteny kasy (khasi) sy ny fiteny monda (munda) ary ny fiteny santaly (santali). Anisany koa ny fiteny ao amin' ny vondronosy Nicobar. Ankoatry ny fiteny kasy sy ny fiteny santaly dia fiteny tandindomin-doza ny fiteny aostrôaziatika hafa ao India.

Fiteny sinô-tibetana

[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny any Azia Atsinanana, any Azia Atsimo-Atsinanana, any Azia Afovoany ary any Azia Atsimo, izay misy mpiteny koa any India ny fiteny sinô-tibetana.

Fiteny tai-kaday

[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviam-piteny ampiasaina ao amin' ny saikanosin' i Indôsina sy any amin' ny faritra atsimo ao Sina, izay misy mpampiasa koa any India, ny fiteny tai-kaday.

Fiteny andamaney

[hanova | hanova ny fango]

Vondrom-piteny ao amin' ny nosy Andamàna, ampiasain' ny tompon-tany andamaney ny fiteny any Andamàna. Misy vondrona roa ao amin' izany fianakaviam-piteny izany, dia ny fiteny andamaney lehibe sy ny fiteny andamaney avaratra.

Fivavahana

[hanova | hanova ny fango]

Tao India no nipoiran' ny hindoisma, ny bodisma, ny jainisma ary ny sikisma. Nandray hatry ny ela ny jodaisma, ny kristianisma, ny finoana silamo ary ny zôrôastrisma koa io firenena io. Matetika nandray anjara lehibe ny fivavahana teo amin' ny tantaran' i India, ary eken' ny lalàna indiana ny fisian' izy ireo. Ny ankabetsahan' ny Indiana dia mpivavaka ary mandray anjara betsaka amin' ny fiainan' izy ireo ny fivavahana.

Ny fivavahana nipoitra tao India

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2011 dia nisy mpino hindo miisa 966 tapitrisa tao India, ka 79,9 %n' ny mponina izany[4]. Sady fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiainana nipoitra ao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana ny hindoisma. Anisan' ny fivavahana tranainy indrindra eran' izao tontolo izao izay mbola misy manaraka izy. Mampiavaka ny hindoisma ny toetrany izay ahitana fanambarana karazana finoana sy fanao avy amin' ny fivavahana samihafa (sinkretisma).

Misy mpino bodista miisa 8 400 000 (0,7 %) ny ao India. Nipoitra avy tao India tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K. ny bodisma noho ny fifohazana ara-panahin' i Siddhartha Gautama sy ny fielezan' ny fampianarany. Azo heverina ho fivavahana tsy misy andriamanitra mpamorona ny bodisma; satria tsy misy firesahana momba izany ao amin' ny ankamaroan' ny sampan' ny bodisma.

Misy mpino jaina miisa 4 400 000 (0,4 %) ny ao India. Ny jainisma dia mampianatra fa mitovy ny tanjon' ny fiainana ho an' ny hindoisma sy ny bodisma ary ny sikisma. Tamin' ny andron' i Mahâvîra no tena nielezan' ny jainisma tao India. Mandala ny fisainanana tsy misy herisetra (ahimsa) ity fivavahana ity.

Misy mpino siky miisa 20,8 tapitrisa (1,7 %) ny ao India. Fivavahana amin' Andriamanitra tokana naorin' ny Guru Nanak tao amin' ny tapany avaratr' i India tamin' ny taonjato faha-15 ny sikisma. Mino ny Siky fa tsy manam-petra, mandrakizay, mpamorona, anton' ny anton-javatra rehetra, tsy manam-pahavalo, ary tsy misy fankahalana Andriamanitra, izay sady ato amin' izao tontolo izao no ao ivelany sy mihoatra azy (mihoa-draha).

Ny fivavahana niditra avy ety ivelany

[hanova | hanova ny fango]

Latsaky ny 20 000 ny mpino manaraka ny jodaisma ao India. Efa tany amin' ny Andro Taloha no nahitana Jiosy mpifindra monina tany India ka anisan' ny fivavahana avy ivelany niditra tao India ny jodaisma.

Misy Kristana miisa 27 800 000 (2,3 %) ny ao India[4]. Lazain' ny lovantsofina fa nentin' ny apôstôly Tômasy (na Tômà) tao India tamin' ny taonjato voalohany ny kristianisma. Izy no fivavahana avy any ivelany tonga voalohany tao India. Ankehitriny dia hita ao India ny katôlisisma, ny kristianisma ôrtôdôksa, ny prôtestantisma, ny batisma ary ny fiangonana tatsinanana samihafa.

Misy Mozilmana miisa 172 tapitrisa (14,2 %) ny ao India ka firenena laharana fahatelo izy amin' izany ao aorian' i Indônezia sy i Pakistàna[4]. Efa tany amin' ny taonjato faha-7 tany no nampisy ny finoana silamo tany India izay nentin' ny Arabo mpivarotra, nefa taorian' ny fakàn-tany nataon' ny Mozilmàna tany India no nampiely azy indrindra.

Ankehitriny dia miisa 61 000 ny Zôrôastriana parsy ao India. Efa nisy tao India tamin' ny vanim-potoana sasanida ny zôrôastrisma. Nifindra monina tao India nanao andiany mifanesy ny Zôrôastriana nandritra ny vanim-potoana silamo, taorian' ny fakàn' ny Mozilmàna an' i Persia, raha nihen-danja ny fivavahany tao Iràna sy tamin' ny firenena hafa noho ny fanenjehana. Tamin' ny vanim-potoana safavida koa dia nisy fifindrà-monina. Ao India, ankehitriny, no ahitana Zôrôastriana betsaka indrindra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivaleny

[hanova | hanova ny fango]

Topi-maso

[hanova | hanova ny fango]
  • "India", The World Factbook, Central Intelligence Agency, archived from the original on 2008-06-11, retrieved 4 October 2011 {{citation}}: Unknown parameter |dead-url= ignored (|url-status= suggested) (help)
  • "Country Profile: India" (PDF), Library of Congress Country Studies (5th ed.), Library of Congress Federal Research Division, December 2004, retrieved 30 September 2011
  • Heitzman, J.; Worden, R. L. (August 1996), India: A Country Study, Area Handbook Series, Washington, D.C.: Library of Congress, ISBN 978-0-8444-0833-0
  • India, International Monetary Fund, retrieved 14 October 2011
  • Provisional Population Totals, Paper 1 – Census 2011, Office of the Registrar General and Census Commissioner, 2011 {{citation}}: Unknown parameter |layurl= ignored (help)
  • "Constituent Assembly of India—Volume XII", Constituent Assembly of India: Debates, National Informatics Centre, Government of India, 24 January 1950, retrieved 17 July 2011
  • There's No National Language in India: Gujarat High Court, The Times Of India, 6 January 2007, archived from the original on 2014-01-29, retrieved 17 July 2011 {{citation}}: Unknown parameter |dead-url= ignored (|url-status= suggested) (help)
  • "Table 1: Human Development Index and its Components" (PDF), Human Development Report 2011, United Nations, 2011

Etimôlôjia

Tantara

Jeografia

Fahasamihafan-javamiaina

Politika

Fifandraisana amin'ny any ivelany ary tafika

Toe-karena

Demôgrafia

Kolontsaina

  1. https://mg.globalvoices.org/2019/03/30/136653/, word search
  2. https://mg.globalvoices.org/2024/04/08/169061/
  3. "South India". Suni System Ltd.. 2007. Retrieved 2007-06-19.
  4. 1 2 3 Laurent Marchand, « Inde : 966 Millions d'Hindous, 172 M de Musulman, 27 M de Chrétiens » Archived Septambra 1, 2021 at the Wayback Machine [tahiry], sur Ouest-France, 1er septembre 2015 (consulté le 28 janvier 2016).